CARMEN 1.0
Mpizara savony mandeha ho azy (distributeur automatique)

Ny mpizara savony dia fitaovana iray tsy maintsy ilaina mba hitandrovana ny fahadiovan-tsika isan’andro, fa indrindra ny fahasalaman-tsika. Misy karazany maro izy io miainga amin’ny tena tsotra (klasika) hatramin’ny bika hafa. Ny mpiz ara savony mandeha ho azy (automatique) CARMEN dia mampiseho fanavaozana lehibe eo amin’ny tsenam-panadiovana eto Madagasikara. Mora ampiasaina, tsotra ary mitsitsy, ny mpizara savony mandeha ho azy CARMEN, antoky ny fahadiovana tanteraka ho anao.

CARMEN dia marika voalohany vita Malagasy amin’ny mpizara savony mandeha ho azy (automatique). Izy io dia misy fitahirizan-tsavony mahazaka 450ml misy bokotra fandrehetana ary “capteur à infra-rouge”, izay mizara ny ranon-tsavony amin’ny fandalovan’ny tànana eo ambananin’ilay “capteur”.

Mazava ho azy fa tena ilaina izy ao an-toka-trano na any amin’ny birao ho an’ny fahadiovana.

Io karazana CARMEN io dia azonao jifaina amin’ny lokony roa samihafa: mainty sy fotsy.

Reviews (0)

Reviews

There are no reviews yet.

Be the first to review “CARMEN 1.0
Mpizara savony mandeha ho azy (distributeur automatique)

Your email address will not be published. Required fields are marked *