Hizara loka maro be ho an’ny mpitsidika ny hetsika ara-barotra « Grande Braderie de Madagascar » na GBM ny SOMAPRO. Mahazo fanomezana avokoa rehefa mividy entana eo aminy trano heva misy azy manomboka ny 30 Aogositra ka hatramin’ny 03 Septambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. « Mitondra tee-shirt mody izay mividy ‘impec’ na ‘Carmen », kojakoja ilaina amin’ny fanadiovana sy fidiovana mihoatra ny 20.000 Ariary », hoy i Mahefa ao amin’ny SOMAPRO. Omena ny anjarany ihany koa ireo mividy « impec », ranon-tsavony fanasana lovia na tanana…manomboka amin’ny 2000 Ariary no miakatra.
Ilaina ny Carmen.
Mety amin’ny hotely fandraisam-bahiny, trano fisakafoanana na ao an-trano ny fitaovana mizara ranon-tsavony na « distributeur de savon » fanasana tanana Carmen. Mivarotra azy ity ny SOMAPRO eny amin’ny GBM. Araka ny fanazavana, manana « distributeur de savon automatique » sy azo apetaka amin’ny rindrina ny orinasa. Misy endrika roa ity farany. Ny iray fametrahana ranon-tsavony fanasana tanana fotsiny, ny iray hafa kosa azo asiana ranon-tsavony sy « shampoing » noho izy ahitana fitoerana roa.
Nidina ny vidiny.
Raha 40.000 Ariary, lasa 29.000 ny vidiny ny Carmen « distributeur de savon automatique » sy ny « mural simple version », 39.000 Ariary kosa ny « double version », mandritra ny hetsika.
Laharana 348 sy 349 no trano heva ahitana ny SOMAPRO.
Source: http://www.canalnews.net